plt_tn/isa/38/01.md

1.0 KiB

Alamino ny tranonao

Io dia midika hoe manomana ny fianakavianao sy ireo izay misahana ny raharahanao mba hahafantaran'izy ireo izay ho atao rehefa maty ianao. Afaka soratana mazava izany. DH: "Tokony milaza amin'ny olona ao an-dapanao izay tianao ataon'izy ireo aorian'ny fahafatesanao ianao" (UDB)

tsarovy

Io fomba fiteny io dia midika hoe mahatadidiy. DH: "tadidio"

nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao

Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mandeha'' dia midika hoe "miaina". Ny andianteny dia midika hoe miaina amin'ny fomba izay ankasitrahan'i Yaveh. DH: "niaina tamim-pahatokiana teo anatrehako" na "nanompo Ahy tamim-pahatokiana"

tamin'ny foko manontolo

Eto ny hoe "fo" dia manondro ny ao anaty izay manambara ny fanoloron-tenan'ny olona manontolo. DH: "amin'ny ao anatiko rehetra" (UDB) na "amin'ny fanoloran-tenako manontolo"

izay tsara teo imasonao

Io andianteny hoe "teo imasonao" io dia manondro izay eritreretin'i Yaveh. DH: "izay ankasitrahinao" na "izay heverinao ho tsara"