plt_tn/isa/37/31.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia.
# sisa
Ny "sisa'' dia ampahan-javatra izay tavela rehefa lasa avokoa ny ambiny. Eto dia manondro ny olona izay tavela tao Joda io.
# ny ankohonan'i Joda
Eto ny "ankohonan'i" Joda dia manondro ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Joda"
# hamaka sy hamokatra indray
Io dia miresaka ny vahoakan'i Joda lasa mitombo be toy ny hoe zava-maniry izay hamaka ary hamokatra izy ireo. DH: "hitombo tahaka ny zava-maniry izay hamaka ary hamokatra"
# Fa avy ao Jerosalema no hivoahan'ny sisa; ho avy ao an-Tendrombohitra Ziona ireo izay tsy maty
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana ny sisa tavela tamin'ny vahoaka izay ho velona.
# Hanao izany ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro
Io dia miresaka an'i Yaveh manao zavatra noho ny zotom-pony toy ny hoe tena manao zavatra ny "zotom-pony". DH: "Noho ny zotom-pony, dia hanao izany Yaveh tompon'ny maro" na "hanao izany noho ny zotom-pony Yaveh tompon'ny maro"