plt_tn/isa/37/31.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia.

sisa

Ny "sisa'' dia ampahan-javatra izay tavela rehefa lasa avokoa ny ambiny. Eto dia manondro ny olona izay tavela tao Joda io.

ny ankohonan'i Joda

Eto ny "ankohonan'i" Joda dia manondro ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Joda"

hamaka sy hamokatra indray

Io dia miresaka ny vahoakan'i Joda lasa mitombo be toy ny hoe zava-maniry izay hamaka ary hamokatra izy ireo. DH: "hitombo tahaka ny zava-maniry izay hamaka ary hamokatra"

Fa avy ao Jerosalema no hivoahan'ny sisa; ho avy ao an-Tendrombohitra Ziona ireo izay tsy maty

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana ny sisa tavela tamin'ny vahoaka izay ho velona.

Hanao izany ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro

Io dia miresaka an'i Yaveh manao zavatra noho ny zotom-pony toy ny hoe tena manao zavatra ny "zotom-pony". DH: "Noho ny zotom-pony, dia hanao izany Yaveh tompon'ny maro" na "hanao izany noho ny zotom-pony Yaveh tompon'ny maro"