plt_tn/isa/37/24.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'ny mpanjakan'i Asyria.

Tamin'ny alalan'ireo mpanomponao

Io dia manondro ireo mpanompo izay nalefany tany amin'i Hezekia izay nitondra hafatra. Afaka ambara mazava izany. DH: "Ao amin'ny hafatra izay nalefanao tamin'ny alalan'ireo mpanomponao"

niakarako...Ho kapaiko...niditra...aho...nihady....aho...Noritraiko...tongotro

Eto Sankeriba dia miresaka ny tenany ho nahavita zavatra maro. Tena nahavita ireo niaraka tamin'ireo tafiny sy ireo kalesiny tokoa izy. DH: "niakaranay...Ho kapainay...niditra...izahay...nihady....izahay...Noritrainay...tongotray"

ireo sederany lava

"ireo sedera lavan'i Libanona"

ny alany mamoha be indrindra

Eto ny teny hoe "mamokatra" dia manondro ny ala izay tena matevina ary feno hazo mamokatra. Ny teny tsy eo dia azo ampiana mba hampahazava kokoa. DH: "ary ao amin'ny ala mamokatra be indrindra"

Noritraiko tao ambanin'ny faladian-tongotro ny reniranon'i Egypta rehetra

Eto Sankeriba dia manitatra ny vitany sy ny diany teny am-pitan'ny reniranon'i Egypta tamin'ny filazana hoe nandritra ireo renirano izy rehefa nasiany nandeha tamin'ireo ny tafiny. DH: "Nitety ireo renirano rehetra tao Egypta toy ny hoe tany maina teo ambany tongotro aho"