plt_tn/isa/37/08.md

24 lines
861 B
Markdown

# Lakisy
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-tanàna io.
# Sankeriba
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-dehilahy io.
# Libna
Io dia anaran-tanàna any atsimon'i Joda.
# nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta
"Tiraka" dia anaran-dehilahy. Nanetsika ny tafiny izy mba ho vonona hiady ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Efa nanetsika ny tafiny i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta"
# hiady aminy
Ny teny hoe "aminy" dia manambara an'i Sankeriba. Io andianteny io dia manondro ny fiadiana tamin'ny tafik'i Sankeriba. DH: "mba hiady amin'ny tafik'i Sankeriba"
# Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema
Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'ny tafika miaramila. DH: "Tsy handresy anareo ao Jerosalema ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"