plt_tn/isa/37/08.md

861 B

Lakisy

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-tanàna io.

Sankeriba

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-dehilahy io.

Libna

Io dia anaran-tanàna any atsimon'i Joda.

nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta

"Tiraka" dia anaran-dehilahy. Nanetsika ny tafiny izy mba ho vonona hiady ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Efa nanetsika ny tafiny i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta"

hiady aminy

Ny teny hoe "aminy" dia manambara an'i Sankeriba. Io andianteny io dia manondro ny fiadiana tamin'ny tafik'i Sankeriba. DH: "mba hiady amin'ny tafik'i Sankeriba"

Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema

Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'ny tafika miaramila. DH: "Tsy handresy anareo ao Jerosalema ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"