plt_tn/isa/37/05.md

12 lines
801 B
Markdown

# hametraka fanahy ao aminy aho, ary hahare ny tatitra sasany izy ka hiverina any amin'ny taniny
Ny andianteny hoe "mametraka fanahy ao aminy" dia midika fa hahatonga azy hanana fanapahan-kevitra hentitra Andriamanitra. Ny teny hoe "fanahy" eto dia midika hoe toe-tsaina na fihetseham-po tena matanjaka. DH: "Hitarika azy Aho mba rehefa mandre ny tatitra izy, dia hiverina any amin'ny taniny"
# Indro
Io teny io eto dia fomba fiteny ary nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
# Hataoko lavon'ny sabatra any amin'ny taniny ihany izy
Ny andianteny hoe "lavon'ny sabatra" dia fomba fiteny izay midika fa hamono azy amin-tsabatra ny fahavalony. DH: "Ary ao amin'ny taniny ihany, no hanirahako ireo fahavalony mba hamono azy amin'ny sabatr'izy ireo"