plt_tn/isa/33/07.md

1.0 KiB

Indro

Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka eo. Nampiasaina eto ihany koa izany mba hanamarika fizarana vaovao ao amin'ny boky. DH: "Henoy"

ireo iraka

"mpitondra hafatra"

mitomany mafy ireo iraka izay miandrandra fihavanana

Midika izany fa nitomany izy ireo satria tsy nahomby izy ireo raha nampihavana. DH: "miandrandra fihavanana ireo iraka nefa tsy mahomby izy ireo ka dia nitomany mafy"

Foana ireo lalam-be; tsy misy mpandeha intsony.

Ireo andianteny ireo dia samy manindry fa tsy misy mpandeha intsony eny amin'ireo lalana. DH: "Tsy misy olona mandeha intsony eny amin'ireo lalana"

Rava ny fanekena, notsinotsiniavina ireo vavolombelona, ary tsy voahaja ny maha-olombelona

Ity andalana ity dia mety manondro ireo toetoetry ny kolikoly any Israely amin'ny ankapobeny, na mety manondro ny tsy fahaizan'ny firenena manao fifanarahana fihavanana azo antoka amin'ny Asyria izany. DH: "Mandrava ireo fanekena izay nataon'izy ireo ny vahoaka, ary tsy mifanaja ny olona"