plt_tn/isa/33/05.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.

Nasandratra Yaveh

DH: "Lehibe noho ny olona hafa Yaveh" (UDB)

Ho fenoiny rariny sy fahamarinana i Ziona

Io dia miresaka an'i Yaveh manapaka an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinany toy ny hoe mameno an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinana Izy. DH: "hanapaka an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinana Izy"

Ho filaminana amin'ny fotoanareo Izy

Io dia miresaka an'i Yaveh mahatonga ny vahoaka ho voaaro toy ny hoe Izy mihitsy no filaminana. Ny teny hoe "fotoanareo" dia manondro ny fiainan'izy ireo. DH: "Hahatonga ny fiainanareo rehetra hilamina Izy"

famonjena be, fahendrena, ary fahalalana

Ny teny tsy ao dia afaka ampiana. Ny hoe "famonjena" ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy". DH: "ary hanome famonjena, fahendrena, ary fahalalana betsaka ho anareo Izy" na "hamonjy anareo sy hanome fahendrena ary fahalalana betsaka ho anareo Izy"

ny fahatahorana an'i Yaveh no hareny

Io dia miresaka ny fahatahorana an'i Yaveh toy ny hoe harena izay omen'i Yaveh ny vahoakany izany. DH: "ny fahatahorana an'i Yaveh dia ho tahaka ny harena sarobidy izay homeny anareo" (UDB) na "ny matahotra an'i Yaveh dia ho sarobidy aminareo toy ny hoe harena"