plt_tn/isa/32/14.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny Isaia.

Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana

DH: "Fa hanadino ny lapa ny vahoaka ary handao ny tanàna ireo vahoaka"

ny havoana

Io dia manondro ny trano mafy eny an-tampon-kavoana. DH: "ny fiarovana mafy eny an-tampon-kavoana"

ny havoana sy ny tilikambo fiambenana dia hanjary ho lava-bato

Io dia miresaka ny fiarovana mafy sy ny tilikambo fiambenana izay nilaozana toy ny hoe nanjary lava-bato izany. DH: "hanjary hilaozana sy ho foana ny havoana sy ny tilikambo fiambenana"

fifaliana ho an'ireo boriky, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy

Io dia midika fa hankafy ny ahitra izay maniry eo amin'ny fiarovana mafy sy tilikambo fiambenana ireo biby ireo. DH: "hihinana ny ahitra ao ireo borikidia sy ireo andian'ondry"

mandrakizay

Midika fotoana lava be izany. DH: "fotoana tena lava be"

mandra-pilatsaky ny Fanahy

DH: "mandra-pandatsak'i Yaveh ny Fanahy"

mandra-pilatsaky ny Fanahy...amintsika

Io dia miresaka ny fanomezan'i Yaveh ny Fanahiny amin'ny vahoaka toy ny hoe rano izay hararaka eo amin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "omena antsika ny Fanahy"

avy any amin'ny avo

Eto ny lanitra dia tondroina amin'ny hoe "any amin'ny avo". DH: "avy any an-danitra"

ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala

Io dia mampitaha ny haben'ny fitobahan'ny saha mamokatra raha ampitahaina amin'ny ala mikitroka, sy matevina izany. DH: "hilaza ny olona fa naniry be tahaka ny ala ireo saha mamokatra" na "ho feno habetsahana ireo saha mamokatra"