plt_tn/isa/32/14.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miteny Isaia.
# Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana
DH: "Fa hanadino ny lapa ny vahoaka ary handao ny tanàna ireo vahoaka"
# ny havoana
Io dia manondro ny trano mafy eny an-tampon-kavoana. DH: "ny fiarovana mafy eny an-tampon-kavoana"
# ny havoana sy ny tilikambo fiambenana dia hanjary ho lava-bato
Io dia miresaka ny fiarovana mafy sy ny tilikambo fiambenana izay nilaozana toy ny hoe nanjary lava-bato izany. DH: "hanjary hilaozana sy ho foana ny havoana sy ny tilikambo fiambenana"
# fifaliana ho an'ireo boriky, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy
Io dia midika fa hankafy ny ahitra izay maniry eo amin'ny fiarovana mafy sy tilikambo fiambenana ireo biby ireo. DH: "hihinana ny ahitra ao ireo borikidia sy ireo andian'ondry"
# mandrakizay
Midika fotoana lava be izany. DH: "fotoana tena lava be"
# mandra-pilatsaky ny Fanahy
DH: "mandra-pandatsak'i Yaveh ny Fanahy"
# mandra-pilatsaky ny Fanahy...amintsika
Io dia miresaka ny fanomezan'i Yaveh ny Fanahiny amin'ny vahoaka toy ny hoe rano izay hararaka eo amin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "omena antsika ny Fanahy"
# avy any amin'ny avo
Eto ny lanitra dia tondroina amin'ny hoe "any amin'ny avo". DH: "avy any an-danitra"
# ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala
Io dia mampitaha ny haben'ny fitobahan'ny saha mamokatra raha ampitahaina amin'ny ala mikitroka, sy matevina izany. DH: "hilaza ny olona fa naniry be tahaka ny ala ireo saha mamokatra" na "ho feno habetsahana ireo saha mamokatra"