plt_tn/isa/32/01.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Indro
Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay manaraka eo. DH: "Henoy"
# Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka
Io dia mampitaha ny mpanjaka sy ireo andriana izay miaro ny vahoaka amin'ny fialofana. DH: "hiaro ny vahoaka tahaka ny ataon'ny fialofana amin'ny tafio-drivotra ireo mpanapaka"
# tahaka ny rian-drano amin'ny toerana maina
Io dia fampitahana hafa izay midika fa hamatsy ireo izay ilain'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hamatsy ny vahoaka tahaka ny rian-drano any amin'ny toerana maina izy ireo"
# tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana
Io dia fampitahana hafa izay midika fa hanome fankaherezana sy fitsaharana ho an'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hanome fitsaharana ho an'ny vahoaka tahaka ny vatolampy lehibe izay manaloka ny olona reraka izy ireo"
# Ka ny maso...tsara
Ireo andianteny ireo dia samy manindry fa hamela ny olona hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ireo mpitarika.
# tsy ho pahina
"hahita tsara"