plt_tn/isa/32/01.md

1.0 KiB

Indro

Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay manaraka eo. DH: "Henoy"

Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka

Io dia mampitaha ny mpanjaka sy ireo andriana izay miaro ny vahoaka amin'ny fialofana. DH: "hiaro ny vahoaka tahaka ny ataon'ny fialofana amin'ny tafio-drivotra ireo mpanapaka"

tahaka ny rian-drano amin'ny toerana maina

Io dia fampitahana hafa izay midika fa hamatsy ireo izay ilain'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hamatsy ny vahoaka tahaka ny rian-drano any amin'ny toerana maina izy ireo"

tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana

Io dia fampitahana hafa izay midika fa hanome fankaherezana sy fitsaharana ho an'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hanome fitsaharana ho an'ny vahoaka tahaka ny vatolampy lehibe izay manaloka ny olona reraka izy ireo"

Ka ny maso...tsara

Ireo andianteny ireo dia samy manindry fa hamela ny olona hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ireo mpitarika.

tsy ho pahina

"hahita tsara"