plt_tn/isa/27/12.md

1.5 KiB

Ary

Io teny io dia manamarika tranga manan-danja izay hitranga.

amin'izany andro izany

Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"

dia hively vary...Yaveh

Ny fanangonan'i Yaveh ny vahoakany mba hitondrana azy ireo miverina avy any amin'ireo firenen-kafa ho any amin'ny tanin'ny Israely dia resahina toy ny hoe nively vary mba hanasarahana ny vary amin'ny akofa Izy.

manomboka any amin'ny reniranon'i Eofrata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta

Manonona ny Reniranon'i Eofrata sy ny lohasahan-driakan'i Egypta Isaia mba hidika fa hamerina ny vahoakan'Israely izay tany an-tsesitany tany amin'ireo tany akaikin'ireo rano ireo Yaveh, izany dia, Asyria sy Egypta. Ny reniranon'i Eofrata dia any avaratra atsinanan'i Israely, ary ny lohasahan-driakan'i Egypta dia any atsimo andrefan'i Israely.

lohasahan-driakan'i Egypta

"lohasaha falehan'ny riakan'i Egypta"

ianareo...hangonina tsirairay

DH: "hanangona anareo tsirairay Yaveh"

ho tsofina ny trompetra lehibe

DH: "hitsoaka ny trompetra mafy ny olona"

ho avy ireo izay rava avy any amin'ny tanin'i Asyria, sy izay voaroaka tany amin'ny tanin'i Egypta

Ny fampahalalana efa fantatra dia afaka atao mazava. DH: "ireo izay tany an-tsesitany ary maty tany amin'ny tanin'i Asyria sy ny tanin'i Egypta dia hiverina any amin'ny tanin'ny Israely.

tendrombohitra masina

Ny "tendrombohitra masina" dia Tendrombohitra Ziona, any Jerosalema. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:8.