# Ary Io teny io dia manamarika tranga manan-danja izay hitranga. # amin'izany andro izany Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany" # dia hively vary...Yaveh Ny fanangonan'i Yaveh ny vahoakany mba hitondrana azy ireo miverina avy any amin'ireo firenen-kafa ho any amin'ny tanin'ny Israely dia resahina toy ny hoe nively vary mba hanasarahana ny vary amin'ny akofa Izy. # manomboka any amin'ny reniranon'i Eofrata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta Manonona ny Reniranon'i Eofrata sy ny lohasahan-driakan'i Egypta Isaia mba hidika fa hamerina ny vahoakan'Israely izay tany an-tsesitany tany amin'ireo tany akaikin'ireo rano ireo Yaveh, izany dia, Asyria sy Egypta. Ny reniranon'i Eofrata dia any avaratra atsinanan'i Israely, ary ny lohasahan-driakan'i Egypta dia any atsimo andrefan'i Israely. # lohasahan-driakan'i Egypta "lohasaha falehan'ny riakan'i Egypta" # ianareo...hangonina tsirairay DH: "hanangona anareo tsirairay Yaveh" # ho tsofina ny trompetra lehibe DH: "hitsoaka ny trompetra mafy ny olona" # ho avy ireo izay rava avy any amin'ny tanin'i Asyria, sy izay voaroaka tany amin'ny tanin'i Egypta Ny fampahalalana efa fantatra dia afaka atao mazava. DH: "ireo izay tany an-tsesitany ary maty tany amin'ny tanin'i Asyria sy ny tanin'i Egypta dia hiverina any amin'ny tanin'ny Israely. # tendrombohitra masina Ny "tendrombohitra masina" dia Tendrombohitra Ziona, any Jerosalema. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:8.