plt_tn/isa/26/11.md

953 B

misandratra ny tananao

Ny fiomanan'i Yaveh ny hanasazy ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe nisandratra ny tanany ary efa hamely ny ratsy fanahy.

kanefa tsy tsikaritr'izy ireo akory

"nefa tsy ho tsikaritry ny ratsy fanahy"

ho hitan'izy ireo ny zotom-ponao amin'ny vahoaka

Eto ny hoe "hita" dia manambara ny fahafantarana zavatra. DH: "ho fantatr'izy ireo fa mazoto ny hitahy ny vahoakanao Ianao"

halàna baraka

DH: "halana baraka izy ireo"

handevona azy ireo ny afon'ireo mpifanandrina Aminao

Ny fanasazian'i Yaveh sy ny fandravany tanteraka ny fahavalony dia resahina toy ny hoe handefa afo izay handoro azy ireo tanteraka Izy.

ny afon'ireo mpifanandrina Aminao

Eto ny hoe "-n'ireo" dia tsy midika hoe an'ireo fahavalo ny afo fa tokony hoe nampiasaina hanoherana ireo fahavalo ny afo. DH: "handoro tanteraka azy ireo ny afonao"

ho anay

Eto ny hoe "anay" dia manondro an'i Isaia ary anisan'izany koa ny olo-marina rehetra.