plt_tn/isa/26/11.md

28 lines
953 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# misandratra ny tananao
Ny fiomanan'i Yaveh ny hanasazy ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe nisandratra ny tanany ary efa hamely ny ratsy fanahy.
# kanefa tsy tsikaritr'izy ireo akory
"nefa tsy ho tsikaritry ny ratsy fanahy"
# ho hitan'izy ireo ny zotom-ponao amin'ny vahoaka
Eto ny hoe "hita" dia manambara ny fahafantarana zavatra. DH: "ho fantatr'izy ireo fa mazoto ny hitahy ny vahoakanao Ianao"
# halàna baraka
DH: "halana baraka izy ireo"
# handevona azy ireo ny afon'ireo mpifanandrina Aminao
Ny fanasazian'i Yaveh sy ny fandravany tanteraka ny fahavalony dia resahina toy ny hoe handefa afo izay handoro azy ireo tanteraka Izy.
# ny afon'ireo mpifanandrina Aminao
Eto ny hoe "-n'ireo" dia tsy midika hoe an'ireo fahavalo ny afo fa tokony hoe nampiasaina hanoherana ireo fahavalo ny afo. DH: "handoro tanteraka azy ireo ny afonao"
# ho anay
Eto ny hoe "anay" dia manondro an'i Isaia ary anisan'izany koa ny olo-marina rehetra.