plt_tn/isa/26/05.md

650 B

hanetry ireo izay miaina amim-piavonavonana Izy

Ny fanalan'i Yaveh baraka ireo izay miavonavona dia resahina toy ny hoe avo ny olona miavonavona ary hahatonga azy ireo hietry Izy.

ny tanàna mimanda

Izany dia midika hoe ireo tanàna mimanda amin'ny ankapobeny fa tsy tanàna voafaritra mazava.

hanetry...hataony mitovy haavo

Ny anaovan'i Yaveh ny tafika hamotika ireo tanàna mimanda dia resahina toy ny hoe Yaveh mihitsy no hanao izany.

Ho hitsakitsahin'ny tongotry ny mahantra sy ny dian'ny ory izany

Ireo fanambarana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "Hanitsakitsaka ireo rava ao amin'ny tanàna ny olona mahantra sy ory"