plt_tn/isa/23/01.md

48 lines
2.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy milaza izay nitsaran'Andriamanitra ny firenena tao amin'ny 13:1-23:18 Isaia.
# Fanambarana momba an'i Tyro
"Izao no ambaran'i Yaveh momba an'i Tyro"
# Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy
Eto ny "sambo" dia ilazana ny olona ao anatin'ilay sambo. Ny olona antin'ireo sambon'i Tarsisy dia resahin'Isaia toy ny hoe afaka mandre azy. DH: "Miantsoantsoa amin'ny fahaverezan-kevitra ry lehilahin'ny sambon'i Tarsisy"
# fiantsonana
faritry ny ranomasina izay akaiky tanety ary azo antoka ho an'ny sambo
# avy tao amin'ny tanin'i Kyprosy no nanambarana izany tamin'izy ireo
DH: "nandre momba an'i Tyro ireo lehilahy fony tany amin'ny tanin'i Kyprosy"
# Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka
Resahin'Isaia toy ny hoe mandre azy ireo ny vahoakan'ny morontsiraka.
# Mangìna
Fomba fiteny io. Eto ny fahanginana dia natao mba hanehoana fahatairana na fahagagana. DH: "Aoka ho taitra"
# ny morontsiraka
Ny "morontsiraka" dia ny tany manakaiky na manodidina ny ranomasina na ranomasim-be. Eto izany dia manondro ireo vahoaka izay monina ao Fenisia izay manamorona ny ranomasina Mediteraneana.
# fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo
Eto ny "mpivarotra"dia midika "mpivarotra maro." DH: ïreo mpivarotrí Sidona, izay mandeha an-dranomasina, dia efa nampanan-karena anareo"
# Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora
Sihora dia anarana lohasaha iray akaikin'ny Reniranon'i Neily ao Egypta izay fantatra amin'ny famokarany voa. DH: "Namakivaky ny ranomasina lehibe ireo lehilahy mba hitatitra ny vary avy any Silora any Egypta.''
# ny vokatr'i Neily no vokany
Nojinjaina teo akaikin'ny reniranon'i Neily ireo vary ary notanterina teny amin'ny renirano ary avy eo nankany Fenisia.
# tonga raharaham-barotra ho an'ireo firenena izany
Ny raharaham-barotra dia ny fividianana sy fivarotana vokatra. Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "tany amin'izay nandehanan'ny olona mba hivarotra sy hividy vokatra no nisy anareo"