# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy milaza izay nitsaran'Andriamanitra ny firenena tao amin'ny 13:1-23:18 Isaia. # Fanambarana momba an'i Tyro "Izao no ambaran'i Yaveh momba an'i Tyro" # Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy Eto ny "sambo" dia ilazana ny olona ao anatin'ilay sambo. Ny olona antin'ireo sambon'i Tarsisy dia resahin'Isaia toy ny hoe afaka mandre azy. DH: "Miantsoantsoa amin'ny fahaverezan-kevitra ry lehilahin'ny sambon'i Tarsisy" # fiantsonana faritry ny ranomasina izay akaiky tanety ary azo antoka ho an'ny sambo # avy tao amin'ny tanin'i Kyprosy no nanambarana izany tamin'izy ireo DH: "nandre momba an'i Tyro ireo lehilahy fony tany amin'ny tanin'i Kyprosy" # Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka Resahin'Isaia toy ny hoe mandre azy ireo ny vahoakan'ny morontsiraka. # Mangìna Fomba fiteny io. Eto ny fahanginana dia natao mba hanehoana fahatairana na fahagagana. DH: "Aoka ho taitra" # ny morontsiraka Ny "morontsiraka" dia ny tany manakaiky na manodidina ny ranomasina na ranomasim-be. Eto izany dia manondro ireo vahoaka izay monina ao Fenisia izay manamorona ny ranomasina Mediteraneana. # fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo Eto ny "mpivarotra"dia midika "mpivarotra maro." DH: ïreo mpivarotrí Sidona, izay mandeha an-dranomasina, dia efa nampanan-karena anareo" # Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora Sihora dia anarana lohasaha iray akaikin'ny Reniranon'i Neily ao Egypta izay fantatra amin'ny famokarany voa. DH: "Namakivaky ny ranomasina lehibe ireo lehilahy mba hitatitra ny vary avy any Silora any Egypta.'' # ny vokatr'i Neily no vokany Nojinjaina teo akaikin'ny reniranon'i Neily ireo vary ary notanterina teny amin'ny renirano ary avy eo nankany Fenisia. # tonga raharaham-barotra ho an'ireo firenena izany Ny raharaham-barotra dia ny fividianana sy fivarotana vokatra. Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "tany amin'izay nandehanan'ny olona mba hivarotra sy hividy vokatra no nisy anareo"