plt_tn/isa/15/08.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)

Nanerana ny faritanin'i Moaba ny tomany

Ny fitomanian'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny manerana ny faritany. DH: "Hitomany ny vahoaka rehetra manerana ny faritanin'i Moaba"

hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana

Ny fidradradradran'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny hoe lasa lavitra ka hatrany amin'ireo toerana roa ireo ilay fidradradradrana. DH: "tonga hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana" na "midradradradra na dia ny olona lavitra hatrany Eglaima sy Ber-elima aza"

Eglaima ... Ber-elima ... Dimona

Anaran-tanàna sy vohitra ireo. Dimona no renivohitry ny tanànan'i Moaba. Ny diakn-teny vaovao maro dia manao hoe "Dibona" raha tokony ho "Dimona."

mbola bebe kokoa no ho entiko amin'i Dimona

Eto mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'i Yaveh. Ary koa, ny hoe "amin'i Dimona" dia ilazana ireo vahoaka. DH: "fa hahatonga fahoriana mafy kokoa ho an'ny vahoakan'ny Dimona aza Aho"