# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1) # Nanerana ny faritanin'i Moaba ny tomany Ny fitomanian'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny manerana ny faritany. DH: "Hitomany ny vahoaka rehetra manerana ny faritanin'i Moaba" # hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana Ny fidradradradran'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny hoe lasa lavitra ka hatrany amin'ireo toerana roa ireo ilay fidradradradrana. DH: "tonga hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana" na "midradradradra na dia ny olona lavitra hatrany Eglaima sy Ber-elima aza" # Eglaima ... Ber-elima ... Dimona Anaran-tanàna sy vohitra ireo. Dimona no renivohitry ny tanànan'i Moaba. Ny diakn-teny vaovao maro dia manao hoe "Dibona" raha tokony ho "Dimona." # mbola bebe kokoa no ho entiko amin'i Dimona Eto mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'i Yaveh. Ary koa, ny hoe "amin'i Dimona" dia ilazana ireo vahoaka. DH: "fa hahatonga fahoriana mafy kokoa ho an'ny vahoakan'ny Dimona aza Aho"