plt_tn/isa/14/18.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ito no fiafaran'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
# izy rehetra dia mandry amim-boninahitra
Midiaka izany fa ny fatin'izy ireo dia nalevina am-boninahitra. DH: "nalevina am-boninahitra ireo mpanjaka rehetra efa maty"
# Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao
Ny fanesorana anaty fasana dia maneho ny tsy fandevenana. DH: "Saingy ianao dia tsy voalevina. Tavela eo amin'ny tany ny fatinao"
# tahaka ny ratsan-kazo nariana
Ny ratsan-kazo nariana dia maneho zavatra tsy misy lanjany. DH: "tahaka ny ratsan-kazo izay ahilikilika"
# Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty
Izany dia maneho faty marobe eo ambonin'ny fatiny. DH: "Mandrakotra ny fatinao tanteraka ny fatin'ireo olona" na "Mivangongo eo ambonin'ny fatinao ny fatin'ireo miaramila"
# ireo izay notrobarana tamin-tsabatra
Ity no milaza hoe iza "ireo maty" tany amin'ny fiandohan'ny fehezanteny. Ny hoe voatrobaky ny sabatra dia maneho ny fahafatesana an'ady. DH: "ireo izay voavono tany an'ady"
# izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka
Ny lavaka dia ilazana ny helo, na lavaka lehibe any ambany tany izay misy faty be dia be mivangongo tsotra izao.
# Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao
Ny teny hoe "azy ireo" dia manondro ireo mpanjaka hafa izay maty ka nalevina araka ny tokony izy. DH: "tsy ho alevina tahaka ny nandevenana ireo mpanjaka hafa ianao"
# Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony
DH: "tsy hisy hiresaka momba ny taranaky ny mpanao ratsy intsony"