plt_tn/isa/14/18.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ito no fiafaran'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.

izy rehetra dia mandry amim-boninahitra

Midiaka izany fa ny fatin'izy ireo dia nalevina am-boninahitra. DH: "nalevina am-boninahitra ireo mpanjaka rehetra efa maty"

Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao

Ny fanesorana anaty fasana dia maneho ny tsy fandevenana. DH: "Saingy ianao dia tsy voalevina. Tavela eo amin'ny tany ny fatinao"

tahaka ny ratsan-kazo nariana

Ny ratsan-kazo nariana dia maneho zavatra tsy misy lanjany. DH: "tahaka ny ratsan-kazo izay ahilikilika"

Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty

Izany dia maneho faty marobe eo ambonin'ny fatiny. DH: "Mandrakotra ny fatinao tanteraka ny fatin'ireo olona" na "Mivangongo eo ambonin'ny fatinao ny fatin'ireo miaramila"

ireo izay notrobarana tamin-tsabatra

Ity no milaza hoe iza "ireo maty" tany amin'ny fiandohan'ny fehezanteny. Ny hoe voatrobaky ny sabatra dia maneho ny fahafatesana an'ady. DH: "ireo izay voavono tany an'ady"

izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka

Ny lavaka dia ilazana ny helo, na lavaka lehibe any ambany tany izay misy faty be dia be mivangongo tsotra izao.

Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao

Ny teny hoe "azy ireo" dia manondro ireo mpanjaka hafa izay maty ka nalevina araka ny tokony izy. DH: "tsy ho alevina tahaka ny nandevenana ireo mpanjaka hafa ianao"

Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony

DH: "tsy hisy hiresaka momba ny taranaky ny mpanao ratsy intsony"