forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
1.3 KiB
Markdown
20 lines
1.3 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
|
|
|
|
# Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina!
|
|
|
|
Ny kintan'ny andro dia kintana izay miposaka mialohan'ny maraina. Niantso ny mpanjakan'ny Babylona araka io kintana io ny vahoakan'Israely mba hilazana fa lehibe izy taloha, saingy tsy izany intsony ankehitriny. DH: "Tahaka ny kintana mamiratra maraina ianao, saingy nilatsaka avy any an-danitra"
|
|
|
|
# Akory ny hanapahana anao amin'ny tany
|
|
|
|
Ho resahin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe hazo izay voakapa ny mpanjakan'i Babylona. DH: "Resy tahaka ny hazo izay nisy nikapa tamin'ny tany ianao"
|
|
|
|
# ry hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana
|
|
|
|
Manisy resaka momba ny angano izay fantatry ny olona rehetra tany amin'ny Asia Andrefana taloha, fa ire andriamanitra Kananita dia nihaona tamin'ny filan-kevitra teny an-tampon-tendrombohitra tany amin'ny faritra avaratr'i Syria. Ny fipetrahana eo an-tendrombohitra dia maneho ny fanapahana miaraka amin'ny andriamanitra. DH: "Hanapaka eo an-tendrombohitra izay hiangonan'ny andriamanitra aho"
|
|
|
|
# any amin'ny farany lavitry ny avaratra
|
|
|
|
Ny tendrombohitra any avaratra hono dia nantsoina Zafona. Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe "lavitra any akaikin'i Zafona''
|