plt_tn/isa/14/12.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.

Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina!

Ny kintan'ny andro dia kintana izay miposaka mialohan'ny maraina. Niantso ny mpanjakan'ny Babylona araka io kintana io ny vahoakan'Israely mba hilazana fa lehibe izy taloha, saingy tsy izany intsony ankehitriny. DH: "Tahaka ny kintana mamiratra maraina ianao, saingy nilatsaka avy any an-danitra"

Akory ny hanapahana anao amin'ny tany

Ho resahin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe hazo izay voakapa ny mpanjakan'i Babylona. DH: "Resy tahaka ny hazo izay nisy nikapa tamin'ny tany ianao"

ry hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana

Manisy resaka momba ny angano izay fantatry ny olona rehetra tany amin'ny Asia Andrefana taloha, fa ire andriamanitra Kananita dia nihaona tamin'ny filan-kevitra teny an-tampon-tendrombohitra tany amin'ny faritra avaratr'i Syria. Ny fipetrahana eo an-tendrombohitra dia maneho ny fanapahana miaraka amin'ny andriamanitra. DH: "Hanapaka eo an-tendrombohitra izay hiangonan'ny andriamanitra aho"

any amin'ny farany lavitry ny avaratra

Ny tendrombohitra any avaratra hono dia nantsoina Zafona. Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe "lavitra any akaikin'i Zafona''