plt_tn/isa/14/10.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona. Ety izy ireo dia mihira momba izay ho lazain'ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita aminy.

Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe

Ny teny hoe "izy rehetra" dia manondro ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny teny hoe "aminao" dia manondro ny mpanjakan'i Babylona.

Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao

Toy ny hoe nidina nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny famirapiratana no firesak'ireo mpanjaka maty amin'ny mpanjakan'i Babylona izay tsy manana famirapiratana intsony. DH: "Tapitra ny famirapiratanao rehefa nalefan'Andriamanitra taty amin'ny Fiainan-tsy hita ianao"

tamin'ny feom-balihinao

Hanao mozika amin'ny valiha ny olona ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka. Ny olona izay tsy manome voninahitra ny mpanjakan'i Babylona a,min'ny mozika intsony dia resahin'ireo mpanjaka efa maty toy ny hoe nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny mozika. DH: "niaraka tamin'ny feon'ny olona nitendry mozika hanomezam-boninahitra anao"

Miparitaka eo ambaninao ny olitra

Ny olitra ambanin'ny fatiny dia resahina toy ny hoe fandriana. DH: "mandry eo amin'ny fandriana olitra ianao'' na "matory amin'ny olitra be dia be ianao"

mandrakotra anao ny kankana

Ny kankana eo amin'ny vatany dia resahina toy ny hoe mandrakotra azy tahaka ny bodofotsy. DH: "mandrakotra anao tahaka ny bodofotsy ny kankana" na "Feno kankana eo amin'ny vatanao"