# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona. Ety izy ireo dia mihira momba izay ho lazain'ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita aminy. # Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe Ny teny hoe "izy rehetra" dia manondro ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny teny hoe "aminao" dia manondro ny mpanjakan'i Babylona. # Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao Toy ny hoe nidina nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny famirapiratana no firesak'ireo mpanjaka maty amin'ny mpanjakan'i Babylona izay tsy manana famirapiratana intsony. DH: "Tapitra ny famirapiratanao rehefa nalefan'Andriamanitra taty amin'ny Fiainan-tsy hita ianao" # tamin'ny feom-balihinao Hanao mozika amin'ny valiha ny olona ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka. Ny olona izay tsy manome voninahitra ny mpanjakan'i Babylona a,min'ny mozika intsony dia resahin'ireo mpanjaka efa maty toy ny hoe nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny mozika. DH: "niaraka tamin'ny feon'ny olona nitendry mozika hanomezam-boninahitra anao" # Miparitaka eo ambaninao ny olitra Ny olitra ambanin'ny fatiny dia resahina toy ny hoe fandriana. DH: "mandry eo amin'ny fandriana olitra ianao'' na "matory amin'ny olitra be dia be ianao" # mandrakotra anao ny kankana Ny kankana eo amin'ny vatany dia resahina toy ny hoe mandrakotra azy tahaka ny bodofotsy. DH: "mandrakotra anao tahaka ny bodofotsy ny kankana" na "Feno kankana eo amin'ny vatanao"