plt_tn/isa/13/15.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Izay rehetra hita dia ho faty avokoa ... izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ho vonoin'ny fahavalo amin'ny sabatra ireo rehetra hitany"
# Ny zaza madinik'izy ireo dia ho torotoroina
DH: "Ho torotoroin'ny fahavalo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo" na "Ho kapokapohin'ny fahavalo mandra-pahafaty azy ireo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo"
# eo imasony
Ny hoe "eo imasony" dia midika hoe "eo anatrehany" na "raha mbola mijery izy ireo." Azo atao mazava fa tsy afaka manampy ny zaza madinik'izy ireo ny ray aman-dreny amin'io. DH: "rehefa tsy afa-manoatra mijery azy ireo ny ray aman-dreniny"
# Ny tranon'izy ireo dia ho voababo
Midika izany fa hangalarina avy ao an-tranony ireo zava-tsarobidy rehetra. DH: "Handroba ny tranon'izy ireo ny fahavalo" na "Hangalatra ny zava-tsarobidy rehetra avy ao an-tranon'ny olona ny fahavalo"
# ireo vadiny ho voaholana
Midika izany fa hanafika ireo vehivavy ny fahavalo ka hanery azy ireo hanao firaisana ara-nofo aminy. DH: "haolan'ny fahavalo ny vadin'izy ireo."