plt_tn/isa/13/15.md

1.1 KiB

Izay rehetra hita dia ho faty avokoa ... izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ho vonoin'ny fahavalo amin'ny sabatra ireo rehetra hitany"

Ny zaza madinik'izy ireo dia ho torotoroina

DH: "Ho torotoroin'ny fahavalo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo" na "Ho kapokapohin'ny fahavalo mandra-pahafaty azy ireo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo"

eo imasony

Ny hoe "eo imasony" dia midika hoe "eo anatrehany" na "raha mbola mijery izy ireo." Azo atao mazava fa tsy afaka manampy ny zaza madinik'izy ireo ny ray aman-dreny amin'io. DH: "rehefa tsy afa-manoatra mijery azy ireo ny ray aman-dreniny"

Ny tranon'izy ireo dia ho voababo

Midika izany fa hangalarina avy ao an-tranony ireo zava-tsarobidy rehetra. DH: "Handroba ny tranon'izy ireo ny fahavalo" na "Hangalatra ny zava-tsarobidy rehetra avy ao an-tranon'ny olona ny fahavalo"

ireo vadiny ho voaholana

Midika izany fa hanafika ireo vehivavy ny fahavalo ka hanery azy ireo hanao firaisana ara-nofo aminy. DH: "haolan'ny fahavalo ny vadin'izy ireo."