plt_tn/isa/13/01.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# mahakasika an'i Babylona
Io anaran-tanàna dia ilazana ny vahoakan'i Babylona. DH: "mahakasika ny vahoakan'i Babylona"
# Amoza
Amoza no rain'Isaia. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 1:1.
# mihiakiaha mafy amin'izy ireo
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo miaramila avy amin'ny firene-kafa.
# vavahadin'ireo manan-kaja
Ireo mety ho heviny dia 1) "vavahadin'i Babylona izay itoeran'ireo manan-kaja" na 2) "ny vavahadin'ny tranon'ireo manan-kaja"
# manan-kaja
"ireo olona hajaona" na "ireo mpanapaka"
# ireo masiko
"ireo izay natokako ho an'ny tenako" na "ny tafika izay natokako ho an'ny tenako"
# efa niantso ireo lehilahy maheriko mba hanatanteraka ny fahatezerako
Ny fanatanterahana ny fahatezeran'Andriamanitra dia entina ilazana ny famaizana ny olona nohon'ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Efa niantso ireo miaramila maheriko Aho mba hanafay ny vahoakan'i Babylona satria nahatezitra Azy izy ireo"
# eny na dia ireo mibitaka am-pireharehana aza
Ny antony hireharehan'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "na ireo oloko izay mibitaka am-pireharehana nohon'ny amin'ireo zavatra lehibe izay ataoko aza"