plt_tn/isa/11/12.md

1.1 KiB

Hametraka faneva ho an'ireo firenena Izy

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hametraka ny mpanjaka ho faneva ho an'ireo firenena ny Tompo" na 2) "Hametraka faneva ho an'ireo firenena ny mpanjaka."

faneva ho an'ireo firenena

"faneva ho hitan'ireo firenena" na "faneva hiantsoana ireo firenena mba hankeo aminy"

voaelin'i Joda

"ireo vahoakan'i Joda izay niparitaka manerana izao tontolo izao"

avy any amin'ny vazan-tany efatra

Ny tany eto dia atao kisarisary toy ny hoe misy zorony efatra, ary ireo zorony ireo no toerana lavitra indrindra. Io dia ilazana ny toerana rehetra eto an-tany izay mety hisy an'ireo olona ireo. DH: "na dia avy any amin'ny toerana lavitra indrindra eto an-tany aza" na "manerana ny tany"

Hamily ny fialonan'i Efraima Izy

Eto Efraima dia manondro ny taranaky ny fanjakana tavaratr'Israely. Ny teny hoe "fialonana" dia azo atao mpamari-toetra. DH: "Hampitsahatra ny vahoakan'i Efraima tsy ho mpialona Izy"

ry Joda tsy handrafy an'i Efraima intsony

Eto Joda dia manondro ny taranaky ny fanjakana tatsimon'Israely. DH: "hampitsahatra ny vahoakan'i Joda tsy ho mpandrafy izy" na "hampitsahatra ny vahoakan'i Joda tsy hankahala Izy"