plt_tn/isa/09/16.md

1.0 KiB

Ireo izay mitarika io vahoaka io dia mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso

Ireo mpitondra izay mahatonga ny vahoaka tsy hankatoa dia resahina toy ny hoe nitondra azy ireo tamin'ny lalan-diso. DH: "Nahatonga ny vahoaka tsy hankatoa an'Andriamanitra ireo mpitondra"

ary ireo izay tarihin'izy ireo no voatelina

Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "ary ireo izay tarihin'izy ireo dia mikorontana" na 2) DH: "ary aringan'i Yaveh ireo izay tarihin'izy ireo"

ny vava rehetra dia miteny adalana

Ny teny hoe "vava" dia ilazana ilay olona. DH: "miteny fahadalana avokoa ny olon-drehetra"

Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra hatrany ny tanany

"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.

mbola mihinjitra hatrany ny tanany

Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"