plt_tn/isa/09/06.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.

Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "antsika" dia ilazana ilay miteny sy ny mpihaino. DH: "Ha hanome zaza ho antsika ny Tompo"

ho eo an-tsorony ny fanapahana

"hanana fahefana hanapaka ho mpanjaka izy" na "Hatan'i Yaveh hanana andraikitra ny hanjaka izy"

Mpanolo-tsaina

olona izay manoro hevitra ny mpanjaka

Ny fitomboan'ny fanjakany sy ny fiadanana dia tsy hisy farany

"Rehefa mandeha ny fotoana dia hanjaka eo amin'ny olona maro mihamaro hatrany izy ary hahatonga azy ireo ho afaka hiaiana am-piadanana hatrany''

manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida

Ny fipetrahana eo amin'ny "seza fiandrianan'i Davida" dia fibangoan-teny ilazana ny fananana zo hanjaka; ny taranak'i Davida ihany no afaka ny ho mpanjakan'Andriamanitra. DH: "hanan-jo hanapaka amin'ny maha-taranak'i Davida"

eo amin'ny fanjakany Izy, mba hametraka sy hanohana izany amin'ny rariny sy fahamarinana

Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "ny fanjakany Izy. Hametraka sy hiaro ny fanjakany izy, ary hanao izay rariny sy marina'

Yaveh tompon'ny maro

Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.