# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo. # Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "antsika" dia ilazana ilay miteny sy ny mpihaino. DH: "Ha hanome zaza ho antsika ny Tompo" # ho eo an-tsorony ny fanapahana "hanana fahefana hanapaka ho mpanjaka izy" na "Hatan'i Yaveh hanana andraikitra ny hanjaka izy" # Mpanolo-tsaina olona izay manoro hevitra ny mpanjaka # Ny fitomboan'ny fanjakany sy ny fiadanana dia tsy hisy farany "Rehefa mandeha ny fotoana dia hanjaka eo amin'ny olona maro mihamaro hatrany izy ary hahatonga azy ireo ho afaka hiaiana am-piadanana hatrany'' # manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Ny fipetrahana eo amin'ny "seza fiandrianan'i Davida" dia fibangoan-teny ilazana ny fananana zo hanjaka; ny taranak'i Davida ihany no afaka ny ho mpanjakan'Andriamanitra. DH: "hanan-jo hanapaka amin'ny maha-taranak'i Davida" # eo amin'ny fanjakany Izy, mba hametraka sy hanohana izany amin'ny rariny sy fahamarinana Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "ny fanjakany Izy. Hametraka sy hiaro ny fanjakany izy, ary hanao izay rariny sy marina' # Yaveh tompon'ny maro Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.