plt_tn/isa/09/03.md

859 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.

Efa nahamaro ny firenena Ianao; efa nampitombo ny hafalian'izy ireo Ianao

Ny teny hoe "Ianao" dia manondro an'i Yaveh. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, saingy ampidirin'Isaia ho isan'Israely koa izy. DH: "Ry Tompo, hampitombo be ny vahoakanay sy ny voninahitra Ianao"

Mifaly manoloana Anao tahaka ny fifaliana amin'ny fotoan'ny fijinjana izy ireo, toy ny olona faly rehefa mizara ny voaroba

"Hifaly eo anatrehanao tahaka ny hifalian'ny vahoaka rehefa manangona ny vokany na rehefa vita ny ady ka mifampizara izay nalainy ny miaramila izy ireo"