plt_tn/isa/07/23.md

965 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mamaritra ny fotoana izay hanafihan'ny tafik'i Asyria an'Israely i Isaia.

izay nisy voaloboka aman'arivony ... tsilo

"nisy voaloboka 1000." Izany hoe, tamin'Isaia nanoratra, dia nisy tanim-boaloboka, izay nisy voalomboka 1000 tsirairay na mihoatra. Ambarany fa ho feno tsilo ny ireo tanim-boaloboka.

sekely volafotsy arivo

"sekely volafotsy 1000." Ny sekely dia vola volafotsy izay sandan'ny karama 4 andro. DH: "Volafotsy madinika 1000"

tsilo

Ny teny hoe "tsilo" dia ilazana zava-maniry feno tsilo sady tsy misy ilana azy.

ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa

Ny antony handehanan'ny mpihaza any amin'ireo tany ireo dia azo atao mazava. DH: "satria tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo sy bibidia eo amin'ireo tany ireo"

Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo

DH: "Hiala lavitra ireo havoana izay nikarakaran'izy ireo ny tany mba hamokatra taloha ny olona"