plt_tn/isa/07/23.md

24 lines
965 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy mamaritra ny fotoana izay hanafihan'ny tafik'i Asyria an'Israely i Isaia.
# izay nisy voaloboka aman'arivony ... tsilo
"nisy voaloboka 1000." Izany hoe, tamin'Isaia nanoratra, dia nisy tanim-boaloboka, izay nisy voalomboka 1000 tsirairay na mihoatra. Ambarany fa ho feno tsilo ny ireo tanim-boaloboka.
# sekely volafotsy arivo
"sekely volafotsy 1000." Ny sekely dia vola volafotsy izay sandan'ny karama 4 andro. DH: "Volafotsy madinika 1000"
# tsilo
Ny teny hoe "tsilo" dia ilazana zava-maniry feno tsilo sady tsy misy ilana azy.
# ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa
Ny antony handehanan'ny mpihaza any amin'ireo tany ireo dia azo atao mazava. DH: "satria tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo sy bibidia eo amin'ireo tany ireo"
# Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo
DH: "Hiala lavitra ireo havoana izay nikarakaran'izy ireo ny tany mba hamokatra taloha ny olona"