plt_tn/isa/06/03.md

677 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.

Nifampiantso izy ireo ary nanao hoe

"Nifampiantso ireo serafima ary nanao hoe" na "Nifanambara ireo zava-boahary manan'elatra"

"Masina, masina, masina, Yaveh tompon'ny maro!

Ny famerenana ny teny hoe "masina" intelo dia maneho fa masina tanteraka Andriamanitra. DH: "Yaveh tompon'ny maro dia masina mihoatra ny rehetra hafa" na "Masina tanteraka Yaveh tompon'ny maro"

Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny

Ny tany dia resahina toy ny hoe fiteoran-javatra ary ny voninahitra no mameno ilay fitoeran-javatra. DH: "Ny zava-drehetra ety ambony tany dia porofon'ny voninahitr'Andriamanitra"