# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy mamaritra ny fahitany Isaia. # Nifampiantso izy ireo ary nanao hoe "Nifampiantso ireo serafima ary nanao hoe" na "Nifanambara ireo zava-boahary manan'elatra" # "Masina, masina, masina, Yaveh tompon'ny maro! Ny famerenana ny teny hoe "masina" intelo dia maneho fa masina tanteraka Andriamanitra. DH: "Yaveh tompon'ny maro dia masina mihoatra ny rehetra hafa" na "Masina tanteraka Yaveh tompon'ny maro" # Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny Ny tany dia resahina toy ny hoe fiteoran-javatra ary ny voninahitra no mameno ilay fitoeran-javatra. DH: "Ny zava-drehetra ety ambony tany dia porofon'ny voninahitr'Andriamanitra"