plt_tn/isa/06/01.md

1.4 KiB

sady avo no ambony Izy

Ny teny hoe "avo" sy "ambony" dia manamafy fa ny seza fiandrianana dia avo dia avo ary ambonin'ny zava-drehetra manodidina izany. Ny hahavon'ny seza fiandrianana dia maneho ny fahalebiazana sy ny herin'ny Tompo.

nameno ny tempoly

"nameno ny lapa." Ny teny ampiasaina ilazana ny tempoly eto dia ampiasaina ilazana ny lapan'ny mpanjaka.

Teo amboniny dia nisy ny serafima

Ny dikan'izany dia nipetraka teo amin'ny seza-fiandrianana ny Tompo ary nitsangana na nanidina teo akaikin'ny Tompo am-pahavononana ny hanompo Azy ireo serafima.

serafima

Ity teny ity dia manolo-kevitra fa ireo zava-boahary ireo dia mety ho nanana endrika masiaka afo na nitovy tamin'ny bibilava. Satria tsy fantantsika mazava ny dikan'ny "serafima," dia azonao atao ny mandika izany hoe "zava-boahary manan'elatra" na "zava-manan'aina manan'eleatra." Na koa, azonao atao ny mindrana ny teny ary mampiasa izany amin'ny fiteninao.

samy nanana elatra enina avy

"Samy nanana elatra enina avy ny serafa tsirairay" na "samy nanana elatra enina avy ireo zava-boahary ireo"

samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany

Ny teny hoe "elatra" sy "serafa" dia efa azo. DH: "tamin'ny elatra roa no nanaronan'ny serafa ny tavany, ary tamin'ny elatra roa no nanaronany ny tongony, ary tamin'ny elatra roa no nanidinany"