# sady avo no ambony Izy Ny teny hoe "avo" sy "ambony" dia manamafy fa ny seza fiandrianana dia avo dia avo ary ambonin'ny zava-drehetra manodidina izany. Ny hahavon'ny seza fiandrianana dia maneho ny fahalebiazana sy ny herin'ny Tompo. # nameno ny tempoly "nameno ny lapa." Ny teny ampiasaina ilazana ny tempoly eto dia ampiasaina ilazana ny lapan'ny mpanjaka. # Teo amboniny dia nisy ny serafima Ny dikan'izany dia nipetraka teo amin'ny seza-fiandrianana ny Tompo ary nitsangana na nanidina teo akaikin'ny Tompo am-pahavononana ny hanompo Azy ireo serafima. # serafima Ity teny ity dia manolo-kevitra fa ireo zava-boahary ireo dia mety ho nanana endrika masiaka afo na nitovy tamin'ny bibilava. Satria tsy fantantsika mazava ny dikan'ny "serafima," dia azonao atao ny mandika izany hoe "zava-boahary manan'elatra" na "zava-manan'aina manan'eleatra." Na koa, azonao atao ny mindrana ny teny ary mampiasa izany amin'ny fiteninao. # samy nanana elatra enina avy "Samy nanana elatra enina avy ny serafa tsirairay" na "samy nanana elatra enina avy ireo zava-boahary ireo" # samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany Ny teny hoe "elatra" sy "serafa" dia efa azo. DH: "tamin'ny elatra roa no nanaronan'ny serafa ny tavany, ary tamin'ny elatra roa no nanaronany ny tongony, ary tamin'ny elatra roa no nanidinany"