plt_tn/isa/04/01.md

959 B

Fa aoka izahay haka ny anaranao

Io andian-teny io dia midika hoe "avelao izahay hanambady anao"

ny sampan'i Yaveh dia ho tsara tarehy

Ireo mety ho heviny dia 1) ny "sampana" dia fibangoan-teny izay maneho ny vokatra izay hampanirian'i Yaveh eo amin'ny tanin'Israely. DH: "Hataon'i Yaveh tsara tarehy ny vokatra ao Israely" na 2) ny "sampana" dia sarinteny ilazana ny Mesia.

ho tsara tarehy sy be voninahitra

"ho feno fahatsarana sy voninahitra"

ary ny vokatry ny tany dia hatsiro sy hahafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely

Ny "vokatra" indraindray dia ilazana ny sakafo vokarin'ny tany tsotra izao, ary indraindray izay dia ilazana fitahiana ara-panahy. Ireo mety ho heviny dia 1) Hahatonga ny tany hamokatra sakafo tsara indray Andriamanitra. DH: "ireo olona izay mbola any Israely dia hisitraka ireo sakafo tsara indrindra avy amin'ny tany" na 2) ny Mesia ho avy dia hitondra fitahiana ara-panahy ho an'ireo vahoaka ao amin'ny tany.