plt_tn/isa/03/13.md

1.9 KiB

Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh; mitsangana hiampanga ny olona Izy

Resahin'Isaia toy ny hoe mitondra fiampangana any amin'ny fitsarana hanohitra ny vahoakan'Israely ny fanapahan-kevitr'i Yaveh hanisy ratsy ny vahoaka. Ny ampahany faharoa amin'ity andinin-tsoratra ity dia mitovy hevitra amin'ny ampahany voalohany ihany, saingy amin'ny fomba feno kokoa no ilazany izany. DH: "Toy ny hoe naka toerana teo amin'ny fitsarana Yaveh ary vonona ny hiampanga ny olona"

Ho avy amin'ny fitsarana

Ny fitsarana dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona entina eo amin'ny olon-kafa. DH: "hanambara fitsarana aho" na "hanambara izao fitsarana izao aho"

Namotika ny tanim-boaloboka ianareo

Eto ny mpisolo-tena "ianareo" dia manondro ireo loholona sy mpanapaka. Resahin'i Yaveh toy ny hoe tanim-boaloboka ny olony. Tahaka ny olona izay tsy mahavita mikarakara tanim-boaloboka hany ka tsy manome voany ilay voaloboka, dia toy izany koa ireo mpitondra izay manakivy ny Israelita tsy hanompo an'Andriamanitra. DH: "Tahaka ny tanim-boaloboka ny oloko, ary nopotehinareo izany"

ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra

"ao an-tranonareo ireo zavatra izay nalainareo avy tamin'ny mahantra"

ny mahantra

Azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra ny mpamaritra anarana. DH: "ireo izay mahantra"

Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko sy manosiosy ny tavan'ny mahantra?

Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hiampangana ny mpitondran'ny vahoaka. Io fiampangana io dia azo atao fanambarana tsotra. DH: "Tezitra aminareo Aho fa manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra ianareo!"

manorotoro ny oloko

Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manorotoro azy ireo amin'ny lanja mavesatra be. DH: "mamely ny olona amin'ny fomba lozabe"

manosiosy ny tavan'ny mahantra

Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manosiosy ny tavany amin'ny tany. DH: "manisy ratsy ny olona mba hampijaly azy ireo"