plt_tn/isa/03/13.md

32 lines
1.9 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh; mitsangana hiampanga ny olona Izy
Resahin'Isaia toy ny hoe mitondra fiampangana any amin'ny fitsarana hanohitra ny vahoakan'Israely ny fanapahan-kevitr'i Yaveh hanisy ratsy ny vahoaka. Ny ampahany faharoa amin'ity andinin-tsoratra ity dia mitovy hevitra amin'ny ampahany voalohany ihany, saingy amin'ny fomba feno kokoa no ilazany izany. DH: "Toy ny hoe naka toerana teo amin'ny fitsarana Yaveh ary vonona ny hiampanga ny olona"
# Ho avy amin'ny fitsarana
Ny fitsarana dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona entina eo amin'ny olon-kafa. DH: "hanambara fitsarana aho" na "hanambara izao fitsarana izao aho"
# Namotika ny tanim-boaloboka ianareo
Eto ny mpisolo-tena "ianareo" dia manondro ireo loholona sy mpanapaka. Resahin'i Yaveh toy ny hoe tanim-boaloboka ny olony. Tahaka ny olona izay tsy mahavita mikarakara tanim-boaloboka hany ka tsy manome voany ilay voaloboka, dia toy izany koa ireo mpitondra izay manakivy ny Israelita tsy hanompo an'Andriamanitra. DH: "Tahaka ny tanim-boaloboka ny oloko, ary nopotehinareo izany"
# ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra
"ao an-tranonareo ireo zavatra izay nalainareo avy tamin'ny mahantra"
# ny mahantra
Azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra ny mpamaritra anarana. DH: "ireo izay mahantra"
# Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko sy manosiosy ny tavan'ny mahantra?
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hiampangana ny mpitondran'ny vahoaka. Io fiampangana io dia azo atao fanambarana tsotra. DH: "Tezitra aminareo Aho fa manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra ianareo!"
# manorotoro ny oloko
Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manorotoro azy ireo amin'ny lanja mavesatra be. DH: "mamely ny olona amin'ny fomba lozabe"
# manosiosy ny tavan'ny mahantra
Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manosiosy ny tavany amin'ny tany. DH: "manisy ratsy ny olona mba hampijaly azy ireo"