plt_tn/isa/03/08.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka manisy fanehoan-kevitra amin'ity toe-javatra ity ny mpaminany.

Fa lavo Jerosalema, ary nianjera i Joda

Ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe lavo ka nianjera.

ny mason'ny voninahiny

Eto ny "maso" dia ilazana an'Andriamanitra mihitsy, izay be voninahitra.

Ny endrika eny amin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy

Ny endrika fiavonavonana eo amin'ny tavan'ny olona dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mijoro vavolombelona miampanga ny olona izany endrika izany. DH: "Ny endrika mieboebo eo amin'ny tavan'izy ireo dia manohitra an'i Yaveh"

ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafenin'izy ireo izany

Eto ny vahoakan'i Joda dia ambara fa tahaka ny vahoakan'i Sodma, satria nirehareha momba ny fahotany ampahibemaso izy ireo. DH: "tahaka ny vahoakan'i Sodoma, dia milaza momba ny fahotany izy ireo ary mampahafantatra ny olona momba izany"

Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy ireo

Mbola ho avy ny loza, saingy vita ny fanaovan'ny olona ny zavatra izay miteraka izany. Ny nahatonga ireo loza eto dia resahina toy ny hoe ilay loza mihitsy. DH: "Fa nataon'izy ireo ny zavatra rehetra izay mahatonga ny loza ho avy"