plt_tn/isa/02/04.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Avy ao Ziona no hanambaran'i Yaveh ny lalàny"

Hitsara

"Hitsara ... Yaveh"

handray fanapahan-kevitra

"handamina ady"

hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady, ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka

Hamadika ny fitaovam-piadiany ho fitaovana fambolena ny vahoakan'ny firenena.

sabany ... lefon'izy ireo ... sabany

Ireo teny ireo dia fibangoan-teny ilazana izay mety ho karazam-pitaovam-piadiana rehetra.

lelan'angady ... fanetezam-boaloboka

Ireo teny ireo dia fibangoan-teny ilazana izay mety ho karazam-pitaovana izay ampiasain'ny olona amin'ny hetsika milamina rehetra.

hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady

"Hamadika ny fitaovam-piadiany ho fitaovana fambolena voa izy ireo." Ny lelan'angady dia antsy ampiasain'ny olona hihadiana tany mba hahafahan'izy ireo mamboly voa ao.

ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka

"ho torotoroin'izy ireo ho fanetezam-boaloboka ny lefon'izy ireo" na "hataon'izy ireo ho fitaovana fikarakarana zava-maniry ny lefon'izy ireo." Ny fanetezam-boaloboka dia antsy izay ampiasain'ny olona hanetezana ireo rantsan-kazo tsy ilaina.

ny firenena tsy hanandratra ny sabany hanohitra firenena

"tsy hisy firenena hanandratra ny sabany hanohitra firenena hafa." Ny sabatra dia ilazana ny ady. DH: "tsy hiady amin'ny firenena iray hafa ny firenena iray"

na hiofana ho amin'ny ady

Andrasan'ny mpanoratra ny mpamaky mba hino fa ireo izay miady dia miofana mialohan'ny hiadian'izy ireo ary ny sasany izay miofana dia tsy miady.