plt_tn/isa/01/23.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.

Ireo andrianareo dia mpikomy

"Mikomy amin'Andriamanitra ireo mpitondra anareo"

sakaizan'ny mpandroba

"naman'ireo izay mangalatra amin'ny hafa izy ireo"

kolikoly ... tombony

Manome "kolikoly" ny olona ho fanomezana ho an'ireo mpanapaka tsy marina mba hanaovan'ireo mpanapaka ireo asa tsy am-pahamarinana. Mandray "tombony" ireo mpanapaka ho fanomezana avy amin'ireo izay mahazo tombony amin'ny lalàna tsy ara-drariny izay navoakan'ny mpanapaka.

fatra-panenjika tombony

Ny olona izay maniry fatratra ny olona iray mba hanome tsolotra dia resahina toy ny hoe mandositra ilay tombony ary manenjika izany ilay olona. DH: "samy maniry ny olona handoa vola aminy ny rehetra mba hanaovana fanapahan-kevitra tsy marina"

Tsy miaro ny kamboty izy ireo

"Tsy miaro ireo izay tsy manan-dray izy ireo"

na tonga eo anatrehan'izy ireo ny fitarainana mananon-tena amin'ny fitsarana

"na mihaino rehefa misy mpananon-tena mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna" na "ary tsy manampy ireo mpananon-tena izay mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna izy ireo"