# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. # Ireo andrianareo dia mpikomy "Mikomy amin'Andriamanitra ireo mpitondra anareo" # sakaizan'ny mpandroba "naman'ireo izay mangalatra amin'ny hafa izy ireo" # kolikoly ... tombony Manome "kolikoly" ny olona ho fanomezana ho an'ireo mpanapaka tsy marina mba hanaovan'ireo mpanapaka ireo asa tsy am-pahamarinana. Mandray "tombony" ireo mpanapaka ho fanomezana avy amin'ireo izay mahazo tombony amin'ny lalàna tsy ara-drariny izay navoakan'ny mpanapaka. # fatra-panenjika tombony Ny olona izay maniry fatratra ny olona iray mba hanome tsolotra dia resahina toy ny hoe mandositra ilay tombony ary manenjika izany ilay olona. DH: "samy maniry ny olona handoa vola aminy ny rehetra mba hanaovana fanapahan-kevitra tsy marina" # Tsy miaro ny kamboty izy ireo "Tsy miaro ireo izay tsy manan-dray izy ireo" # na tonga eo anatrehan'izy ireo ny fitarainana mananon-tena amin'ny fitsarana "na mihaino rehefa misy mpananon-tena mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna" na "ary tsy manampy ireo mpananon-tena izay mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna izy ireo"