plt_tn/isa/01/14.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
# ireo volanareo vaovao sy ireo firavoravoana voatondronareo
Ny teny hoe "volana vaovao" dia ilazana ny fankalazana ny volana vaovao. Ireo koa dia fibangoan-teny ilazana ny fangalazana mahazatra. DH: "ny fankalazanareo ny volana vaovao sy ny fetinareo mahazatra"
# volanareo vaovao
Ny volana vaovao dia amin'ny fotoana hamoisehoan'ny volana fahazvana voalohany aorian'ny nahamaizina azy.
# enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho
Io dia mampitaha ny fahatsapan'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny olona amin'ny filanjana zavatra mavesatra. DH: "ireo dia enta-mavesatra izay mahareraka ahy ny mitondra azy"
# manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho
Io fia fomba fiteny ilazana hoe "tsy hijery anareo Aho" na "Tsy hiraharaha anareo Aho"
# feno rà ny tananareo
Izany no antony tsy hihainoan'Andriamanitra ny vavak'izy ireo. Raha ny izy dia ilazana ny herisetra izay nataon'izy ireo tamin'ny olona ny rà. DH: "satria toy ny hoe feno ny ràn'ireo izay nasianareo ratsy ny tananareo" na "satria meloky ny herisetra ianareo"